Mbola notanana am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka ny vadiny, tetsy Ambohimiandra. Miandry ny valim-pitsarana ny 16 marsa izao, mitaky ny hampiharana ny lalàna ny fianakavian’ilay lasibatra.
Niakatra fitsarana, afakomaly, ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka sady nikasi-tanana ny vadiny izay nitaiza kely. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny fitsarana, averina amin’ny 16 marsa izao ny raharaha. “Napetraka ho dinihana indray ny antontan-taratasy ka hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny valim-pitsarana”, hoy ny anadahin’ilay renim-pianakaviana, voatondraka rano mangotraka. Tsotra ny an’ireto farany dia ny hampiharana ny lalàna ho an’ilay nahavanon-doza. Nalain’ny fianakaviana ity renim-pianakaviana ity, andro vitsy taorian’ny namonoana sy nanondrahana rano mangotraka azy. Voasambotra ny lehilahy vadiny ny alatsinainy 13 febroary teo. Taorian’ny fanadihadiana azy, nidoboka teny am-ponja vonjimaika avy hatrany izy. Andrasana ny valim-pitsarana.
Saika hovonoina
Raha tsiahivina, may ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no vokatry ny herisetra nataon’ny vadiny an’i Sendraniaina, ny zoma 3 febroary lasa teo. Renim-pianakaviana mipetraka ao Ambohimiandra. Tsy an’asa Ralehilahy vadiny. Tojo tsy fahasalamana ramatoa, kanefa mbola mitaiza kely, zaza vao herintaona. “Tsy nisy sakafo nohanina tao amin’izy ireo ka nangataka hody amin’ny ray aman-dreniny aloha i Sendra, izay mampinono”, hoy i Tsiory, anadahin’ilay lasibatra. Tsy nanaiky izany anefa rangahy vadiny ka raikitra ny ady tao an-tokantrano. “Efa matetika tsy an’asa io vadiny io, ka nikiry hody ihany i Sendra”, araka ny fanamafisan’ny anadahiny. Nikasi-tanana an’ity vadiny avy hatrany ralehilahy. Nobatainy ny vilany nisy rano mangotraka, natondrany tamin’i Sendraniaina, renin-janany.
Niantso vonjy tamin’ ireo manodidina ity farany. Tsy vitan’io, mbola nokendaina saika ho taperin’ilay vadiny koa ny ain’ity renim-pianakaviana ity. Tantara mitohy!
Tsiferana R.