«Ny hanambadian-kiterahana», hoy ny oha-pitenenana malagasy. Tena tsy niala lavitra izay tokoa ny nandraisan’ny fiarahamonina malagasy ny vehivavy. Loharanon-taranaka ahazoana ny ho dimby sy ny ho fara. Zava-dehibe tsy voavidy vola na voasandan-javatra hafa ny taranaka ho an’ny Malagasy. Sokajina ho faraidiny ny vehivavy momba.
Maro anefa ireo diso hevitra fa nijanona hatreo amin’ny maha mpanome taranaka azy fotsiny no nilàn’ny fiarahamonina malagasy ny vehivavy. Tsy ampy io satria tena «loharanon’ny taranaka» mihitsy izy ireny ho an’ny Malagasy. Izany hoe, sady miteraka no mitaiza ary manabe ny taranany, fa tsy fakana tarana fotsiny ihany. Fahalalana voajanahary tamin’ny Malagasy mihitsy io fa tsy nianarana tamin’ny vahiny. Ampahana andraikitra kely ihany no iantsorohan’ny lehilahy raha eo amin’ny fanabeazana mivantana ny menaky ny ainy.
Manamafy io loharanon’ny taranaka io ny fomba nanabeazana ny ankizy vavy teo amin’ny Malagasy. Nampilalaovina tsikonina izy ireo mba hahaizany mitrotro, mibaby, mahandro sakafo, miresaka, sns. Notezaina hantsaka rano, hiloloha siny… Fanabeazana niantsorohan’ny vehivavy avokoa ireo. Noho izany, tsy fakana taranaka fotsiny ny vehivavy teo amin’ny Malagasy fa mpanabe miantoka ny hoavin’ny taranaka, sy ny firenena manontolo mihitsy.
HaRy Razafindrakoto