“Miantso ny andrimpanjakana tsirairay mba samy hanao ny andraikitra ary samy hanao ny asa mifanandrify aminy. Asanay ny mampahatsiahy antsika amin’izany andraikitra izany. Aoka isika tsy hanao ny asan’ny hafa”, hoy ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), i Navony Pierre Lenoble. Tsy tombontsoan’olon-tokana no jerena, fa ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny Repoblika.
Nisafidy ho Repoblika demokratika i Madagasikara. Zavatra hafa raha tsy izay no nosafidiana. Maro ny karazana Repoblika misy eto ambonin’ny tany, fa nisafidy hanao demokrasia ny Malagasy. Noho izany, misy fiaro ao: fisaraham-pahefana. Tokony hohajaina ny fahefana mpanao lalàna, mpanatanteraka, mpitsara. Tsy olona iray hanao mpanatanteraka sady mpanao lalàna no mpitsara. Tsy mety izany amin’izao fitondrana an’i Madagasikara izao.
Dimy taona ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Tena dimy taona ve izany izao? “Tsy izay no fahitanay azy”, hoy izy. Nahemotra izany, ka lasa efa-taona mahery kely. Tokony hojerena ny lalàna mba ho feno dimy taona ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Efa tsy nety ny taloha ka tokony hahitsy. Fifidianana mialoha ny fotoana no hatao amin’
izao. Tamin’ny 19 janoary 2019 no nanao fianianana ny filohan’ny Repoblika, nefa volana novambra ny fifidianana. Misy telo volana very amin’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, araka ny fanazavany. Tokony hojerena ny lalàna ny amin’izay. Rehefa tapitra ny fe-potoam-piasany vao atao hy fifidianana.
R. Nd.