Ho fanamarihana ny 8 marsa : hamoaka ny rakikira « Mangina » i Ngita

Ngita no anarany… Mpa­na­kanto malagasy, mpamorona sy mpihira, avy any amin’iny faritra Atsimo Atsina­nana iny. Mety vitsy no mahalala azy, satria monina any Frantsa rahateo i Ngita. Ireo sanganasany kosa anefa efa maro no re maneran-tany, satria mitrandraka indrindra izay “World mu­sic” izay izy. Tamin’ny taona 2011 no namoahan’i Ngita ny rakikirany voalohany “Zaho e”. Ta­min’ny volana septambra lasa teo kosa vao tontosa ny vokatra faharoa, saingy tsy mbola nanao fampahafantarana izany izy.
“Amin’ny 8 marsa izao no kasaiko havoaka amin’ireo “plateforme” rehetra io rakikira io. Nosafidiako manokana satria misy hafatra maromaro ao anatin’ireo hira ireo”, hoy ny fanazavana nomeny. Misy hira 10 anatin’ity rakikira ity, izay nampitondrany ny lohateny “Mangina”. “Hira iray mi­tantara reny mankahery ny zanany lahy izay voadonan’ny fiainana io”, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpanakanto ity.
Hanomboka amin’io 8 marsa io mihitsy ny fivoahan’ny rakikira anatin’ireo “plateforme de streaming”, hahafa­han’ny Malagasy rehetra ma­neran-tany manjifa sy ma­halala bebe kokoa ny mozikan’i Ngita. Mozika izay mifototra amin’ny gadona malagasy, toa ny batrelaky sy karagnila… Miresaka ny fiainana andavanandro, ny fiainan’ny vehivavy, ny fahasimban’ny ala sy ny tontolo iainana, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: