Miroso tsimoramora !

Raha miteraka resabe ny politika sy ny tontolony eto Madaga­sikara amin’izao fotoana izao. Miroso tsimoramora kosa ny sehatra diplomatika. Manao ranolava ny fihaonan’ireo tompo­nandraikitra malagasy sy ny lehiben’ny masoivoho vahiny eto amintsika. Tsy sakana tsy hivelarana rahateo ny disadisa politika anatiny. Taratry ny fahavononan’ny firenena vahiny, manohana ny vahoaka malagasy izany.
Mifanindran-dalana amin’izay, tapa-kevitra ihany ny fiton­drana fa hametraka amin’izay ny ambasadaoro malagasy any ivelany. Raha ny fantatra, efa any amin’ny filoham-pirenena, efa voaresaka tanatin’ny filankevitry ny minisitra farany ny anaran’ izay hisolotena an’i Madagasikara. Miandry ny fankatoavan’ny firenena handray azy ireo anefa izany.
Iaraha-mahalala, misy tombony betsaka ho an’ny firenena ny fananana ambasadaoro any ivelany. Indrindra anatin’ny vanim-potoana mampamaivay ny raharaha politika maneran-tany. Ha­treto, tsy misy mipika ny toerana andefasana azy ireo fa ny hany fantatra dia ny firenena efa manana ambasady eto Madagasikara no loha-lisitra. Tanjona ny hanamafisana misimisy kokoa ny fiaraha-miasa satria anatin’ny vanimpotoana tena ilàn’i Ma­dagasikara fanampiana izao.
Na inona na inona ho lazaina, tsy mbola mahazaka tena irery ny firenena malagasy amin’ny lafiny rehetra. Marina fa manan-karena voajanahary isika, manana ny tena maha izy azy, kanefa tsy mbola mahaleotena araka ny tokony ho izy. Tsy maintsy mi­ankin-doha amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika. Porofo mi­vaingana ny mikasika ny resaka fifidianana. Mihitsoka ny zava-drehetra fa tsy mivoaka ny volan’ny mpiara-miombon’antoka.
Anisan’ny ezaka takina amin’ny lehiben’ny diplaomasia ma­lagasy sy ambasadaoro aparitaka any ivelany mazava ho azy, ny fahitana lalam-bola ho enti-miasa sy miatrika ny filan’ny fi­renena. Mety hisy ifandraisany amin’izay ny fivahinianana ataon’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Ramatoa Sylla Yvette any Qatar, mandritra ny folo andro be izao. Tsy afaka ny hiolonolona rahateo isika, na ilay maha nosy fotsiny aza.
Sehatra iray, iankinan’ny ain-dehibe amin’ny ho avin’i Ma­dagasikara ny diplaomasia. Iaraha-mahalala fa efa kofona isika amin’izao fotoana izao. Mila hery sy angovo vaovao ho enti-miatrika ny taom-pifidianana ny mpitondra izay fitaratry ny vahoaka. Taon-trano tsy efan’ny irery ny tontolo politika, toekarena, sosialy, sns…eto amintsika.
Singa bitika dia bitika anatin’ny manontolo goavambe, antsoina hoe « izao tontolo izao » ity Nosy ity. Anisan’ny firenena mahantra fadiranovana indrindra maneran-tany. Ambany ny taham-pamokara, hiatrehana ny filàn’ny mponina. Mazava be, anisan’ny firenena marefo isika, mila vonjy sy tolo-tanana. Na izany na tsy izany, efa misy ny ezaka avy ato anatiny. Miroso tsikelikely ny zava-drehetra.

r.r

Partager sur: