Olona roa namoy ny ainy : mirongatra ny lozam-pifamoivoizana ao Toamasina

Tao anatin’ny 48 ora, olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Toamasina. Mila fitandremana !

Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray, afakomaly hariva. Nitondra olona roa, avy nisotrosotra teny amoron-dranomasina izy ity. Voalaza ho niteraka ny loza ny hamamoana. Tsy voafehin’ilay raim-pianakaviana nitondra ny fiara ny familina. Vokany, nitrongy olona roa lahy nanosika kalesa izy. Mpivarotra kiraro ao Analankinina Hopitalibe, ha­monjy fodiana any Morarano ireto lasibatry ny loza. Maty tsy tra-drano rehefa avy notaritin’ny fiara hatrany amin’ny 80 metatra ny iray. Potika tanteraka ny kalesa. Naratra mafy ny namany iray. Nen­tina haingana tao amin’ny Hopi­talibe. Avotra soa aman-tsara ny ainy. Taorinan’ny vonjy aina natao azy, nilaza i Rasta fa nandeha mafy kanefa mamo ny mpamily no nahatonga ny loza.

Nitsoaka …

Vantany vao nitranga ny loza, lasa nitsoaka ny olona tao anatin’ilay fiara. Nisy ny fisavana natao ka nahalalana ny mombamomba azy ireo. Raikitra ny fikarohana noho ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny polisy teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza.
Afakomaly alina ihany, nandona posy nitondra olona teo amin’ny sampan-dalana Morafeno sy Tanamakoa ny teratany vahiny iray. Olona roa no teo ambony posy. Voa mafy ny renim-pianakaviana iray. Noho ny ratra nahazo azy, tsy avotra intsony ny ainy. Maty teny an-dalana hihazo ny hopitaly izy. Mbola manaraka fitsaboana ny raim-pianakaviana niaraka taminy. Raha ny vaovao voaangona teny an-toerana, nikasa hi­tsoaka ilay vazaha. Tsy afa-nihetsika anefa noho ny ha­maroan’ny olona. Saika hanao fitsaram-bahoaka ny olona marobe nanatri-maso, noho ny hatezerana. Voaso­roka izany, tonga ara-potoana ny polisy nanao ny fizahana ny loza sy nanokatra fanadihadiana.

Sajo/J.C

Partager sur: