Vita soa aman-tsara testy amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fifidianana izay ho filohan’ny mpivarotra ao amin’ny Pavillon Analakely, omaly. Lany nandritra ny latsa-bato, Atoa Rakotonirina Claude. Nahazo vato 195 izy. 106 ho an-dRamatoa Saraha, kandidà nifaninana taminy. 309 no isan’ny mpifidy nadatsa-bato. Nisy telo no nanao vato fotsy. Dimy ny vato maty. Tao anatin’ny mangaraharaha ny latsa-bato. Nisy ny vaditany, nanara-maso sy nanatrika ny fizotry ny fifidianana. Ankoatra izay, tonga nanatrika koa ny solontenan’ny mpivarotra, ny avy eo anivon’ny fitaleavana misahana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitondrana tsara tantana. Nankasitraka ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Filoha vao lany. Nisaorany manokana ny ezaka natao tamin’ny fandaminana sy ny fanampiana tamin’ny fanatanterahina ny fifidianana. Manginy fotsiny ny fandravonana ny olana nisy tamin’ny samy mpivarotra, ao anatin’ny fikambanana. Nanome toky ny fitantanana mahomby ny tsena ny filoha vaovao.
Randria