Profesora Rasamoelina Henri : “Samy mitaky praiministra avokoa ny fikambanana rehetra”

«Tsy hita izay maharatsy ny fanehoan-kevitra politika nation-dRtoa Razanamaha­soa Christine izay mitaky ny hisian’ny praiminisitra sy ny minisitra ao anatin’ny governemanta», hoy ny Profesora Rasamoelina, zanaky ny faritan’ny fianarantsoa raha na­nontaniana. Samy mangataka ny hisian’ny praiminisitra sy minisitra ao amin’ny governemanta avokoa ireo fikambanana rehetra manerana ny faritanin’i Madagasikara. «Tsy tokony hampiady ary tsy tokony hanakorontana ny sain’ny olona izany”, hoy hatrany izy. Marihina fa tsy tonga nanatrika ny fihaonana ny Profesora Rasamoelina. Nilaza izy fa tsy fantatra mazava ny tanjona sy anton’ny fanasàna. Na izany aza, efa fantatra foana fa tsy maintsy misy resaka politika mandritra ny fihaonan’ny mpanao politika rehetra.
Mba hialana amin’ny ko­rontana sy ny mety ho voka-dratsy aterak’izay. Nohama­fisiny fa tokony holazaina mialoha amin’ny olona raha hisy fanambarana politika mandritra ny fihaonana.
Tsiahivina fa nivory sy niarahaba tratry ny taona tany Fianarantsoa ny FIZAFAFI (fikambanan’ny zanakin’ny faritanin’i Fianarantsoa ), ny herinandro lasa teo. Tonga nitarika izany ny filohan’ny antenimierampirenena, Raza­namahasoa Christine.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: