Teatra “Vakivakim-piainana”: manantena ny mbola hisian’ny hetsika ny mpankafy

Fahombiazana tanteraka no azon’ny mpikarakara ny hetsika “teatra vakivakim-
piainana”. Maro tamin’ny mpankafy no mangataka ny hamerenana ny hetsika noho izy ireo tsy tafiditra intsony.

Tontosa omaly, teny amin’ny Ivonkolo Analakely ny fampisehoana an-dapihazo “Teatra Vakivakim-piainana”. Ny fikambanana Ako no nampiaina mivantana ity tantara foronina ity. Feno ny efitrano fampisehoana, lany avokoa ny tapakila. Mbola maro ny olona tsy tafiditra, nikasa ny hijery. Tsapa fa tena liana tanteraka tamin’ity hetsika ity ny olona. Araky ny nambaran’ny mpikarakara, Mbola hisy ny tohin’ny hetsika, ezahina ny hanomezana fahafaham-po bebe kokoa ny mpankafy, na eo amin’ny fikarakarana izany, na eo amin’ny votoatin’ny seho. Marihina fa efa fanindroany izao no nanaovana
ny “teatra vakivakim-piainana”.
Nianoka sy sondriana tanteraka tamin’ny fampisehoana an-dapihazo “Teatra Vakiva­kim-piainana” ny mpankafy, omaly. Vitan’ny tanora avy ao amin’ny fikambanana Ako ny nampiaina ity tantara foronina nosoratan’Iharilanto Patrick Andriamangatiana ity. “Nosafi­diana manokana ity tantara foronina ity noho izy mirakitra anatra sy lesona eo amin’ny fiainana, indrindra ho an’ny tanora”, hoy ny mpikarakara. Tantara foronina nahaliana olona maro ny “Vakivakim-piainana”. Vao mainka nanampy ny fitiavan’ny olona azy ny filalaovan’ny mpanao teatra azy. Ity tantara foronina ity izay tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny kilasy famaranana, taranja malagasy.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hamerina indray ny lanjan’ny teatra malagasy. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ny tanora vao misandratra sy ahafahan’izy ireo maneho ny talentany sy ny fahaiza-manaony. “Efa miezaka mamerina ny fampisehoana teatra ny fikambanana. Tanjona ny hamelona indray ny fitiavan’ny Malagasy ny tantara an-dapihazo”, hoy Anjaratianarivony Miora, mpikambana ao amin’ny fikambanana Ako.
Fikambanana tanora, misehatra eo anivon’ny fanaovana tantara an-tsehatra ny fikambanana Ako. Tafiditra ao anatin’izany ny tantara teatra, ny tantara an-tsehatra … Ny volana Jona 2021 no nijoroan’ny fikambanana. Efa maro ny fampisehoana nataon’ny fikambanana. Isan’ny fampisehoana nahitana fahombiazana indrindra ity “Teatra Vakivakim-piainana” ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: