Manana ny lanjany amin’ny tontolo iainana ny sokake, any Atsimo. Fady ho an’ny mponina, ka ilaina ny fitandroana sy ny fiarovana. Misy ny lalàna miaro ny sokake amin’ny maha biby tsy hita afa-tsy eto amintsika azy.
Nisy sokake, karazan-tsokatra sokake (Astrochelys radiata), miisa 20 tratran’ny polisy tany amin’ny kaominina Ankidona Fianarantsoa, ny 29 janoary teo, avy any Ambovombe. Nafenin’ilay mpamily fiarabe mitondra entana tao anaty gonin-tsaribao. Nampandrenesin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra Matsiatra Ambony. Nisy maty ny iray tamin’ireo sokake 20. Haverina any amin’ny toeram-ponenany voajanahary ireo sokatra aorian’ny fitandroana ny fahasalamany.
Tsy mety foana ny trafika eto Madagasikara. Fanindroany no nahatrarana toy izao. Nisy ny Tratra tany Afrika (Tanzania, Mozambika) ny taona 2022. Miisa 150 ny sokatra tratra tamin’izany. Efa eo am-pikarakarana ny fampodiana ireo biby, miaraka amin’ny olona efatra voarohirohy.
Harena voajanahary arovana
Avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny sokake. Manana ny lanjany amin’ny lafiny tontolo iainana sy ny kolontsaina malagasy. Fady mikirakira azy ny foko Mahafaly sy ny Antandroy, ary miteraka ozona mihitsy ho an’izay mandika izany.
Nilaza ny mpandrindra nasionaly (CN) ny TSA, ny Dr. Randriamahazo Herilala, fa manaitra ny hery rehetra, ny sehatra isan-tsokajiny ao amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny fiarahamonina sivily, ny olom-pirenena handray ny andraikitra tandrify azy avy. Voalohany, amin’ny maha harena voajanahary ny sokake. Faharoa, amin’ny maha fomba malagasy, satria «fady» ny mikirakira azy, sady koa voararan’ny lalàna.
Tsiahivina fa migadra 4 hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina, miampy fandoavana lamandy 100 hatramin’ny 400 tapitrisa Ariary ny fivarotana sokake.
Njaka Andriantefiarinesy