Antoby Miarinarivo : nahazo fiofanana ireo mpitsoka « bapampa » miisa 169

Raha mpitsoka mozika, manana ny mahay ny faritra Itasy. Nifandovana aman-taonany maro izany, ary saika nisongadina avokoa na ny mpanao vako-drazana na ny tarika mpanao hira gasy ni­voaka tao amin’ny Faritra. Mba hampiakarana bebe kokoa ny lenta mankany amin’ny laza, nisy ny fiofanana nomena ireo mpitsoka «bapampa» avy ao Antoby –Est, distrikan’i Miarinarivo. Miisa 169 izy ireo, avy ao amina tropy sy kaompania miisa 9. Notontosaina tao amin’ny tao amin’ny Centre Alabri Mirainarivo, ny fiofanana, izay niandraiketan’ireo mpampiofana avy ao amin’ny Académie des arts et de la Culture (ANAC).
Dingana lehibe, na dia mbola sava-lalana ihany aza ity fampiofanana ity. zava-kanto manana ny toerany ny fiangaliana ny mozika ka zava-dehibe ny fanomezana sehatra mba hivelaran’ireo mpanakanto toa izao. Filàna sy fangatahana avy taty ifotony izao novalian’ny Minisitera izao. Ny Faritra Itasy rahateo efa manana ny Federasiona Kanto Miray izay ivondronan’ireo mpiangaly azy ity.
Notolorana mari-pankasitrahana avokoa ireo169 mirahalahy niofana. Nisy kosa anefa ireo tarika 3 tena nisongadina, ny Kakazo Zokiny, ny Soanafindra ary ny Tanora Milay Faliarivo, ka nomen’ny Minisitera ihany koa ilay an­tsoina hoe “Certificat V.A.E” na “Validation des Expérien­ces et des Acquis” ireo 58 mirahalahy mandrafitra azy ireo. Ny tsirairay mandrafitra ny kaompania 06 sisa kosa dia samy nisitraka “attestations” avokoa.
Anisan’ny tanjona fohy ezaka hotontosaina ny ha­natanterahana fifaninanana hoan’ireo mpitsoka “babampa”, izay haka endrika “festival”. Mialoha izany anefa, hihitatra any amina kaominina hafa ny fampiofanana.

Zo ny Aina

Partager sur: