“Momba ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny masoivoho: olona mahafehy ny diplaomasia no tokony ho amin’izany”, hoy ny filohan’ny Syndicat des corps du ministère des Affaires étrangères (Syncormae) eny anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Andria Razakandrema, manoloana ny fanendren’ny filohan’ny Repoblika ireo ambasadaoron’i Madagasikara any ivelany ato ho ato.
Efa nisy fangatahan’ny sendikà tamin’ny taona 2021-2022: iza no andrianjohany na diplaomaty matihanina mahafehy an’izay toerana izay? Efa nisy ny nametraka ny maha kandidà azy ho amin’izany. Inoany fa nisy horaisin’ny lehibe izany hahazoana mampandroso hatrany ny diplaomasia malagasy.
Olona nianatra momba ny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena teny amin’ny Enam avokoa ny andrianjohany matihanina malagasy. Misy manana traikefa efa mihoatra ny 20 taona na teto Madagasikara na tany amin’ny masoivoho tany ivelany. Tokony handeha amin’izany ny fandrindrana ny asan’ny andrianjohany matihanina.
Eo hatrany ny fitakian’ny sendikà
“Mbola naverina hatrany fa lafiny teknika ny fangatahan’ny sendikà”, hoy izy. Hanatsarana ny diplaomasia malagasy izany, ho tombontsoa iombonan’ny Malagasy rehetra. Hita fa nisy ny fiovana, fa tsy mbola vita hatramin’ny farany ny fitakiana. Mandeha tsikelikely ny fanatsarana, ary inoany fa noraisin’ny lehibe ny fitakian’izy ireo. Hampandrosoana ny diplaomasia malagasy izany, ary maro ny ezaka natao. Mba hisy vokany ato ho ato izany. Eo, ohatra, ny fametrahana teknisianina izay andrianjohany matihanina amin’ireo masoivohon’i Madagasikara any ivelany. Ao anatin’izany ny fametrahana azy ireo amin’ny anjara andraikitra sy toerana mendrika azy ireo.
Vao herinandro izay no niasan’ny minisitra vaovao. Ho hita eo hoe: ahoana ny hahazoana mampandroso ny diplaomasia? Eo koa izay ahazoana miara-miasa aminy. Efa nanao fanatonana ho amin’izany ny sendikà. Fantatra fa efa manana traikefa eo amin’ny sehatry ny diplaomasia ny minisitra vaovao.
R. Nd.