Fitaovana iray manatsara ny fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina ny fisian’ny mpanentana ara-pahasalamana (AC). Tsy mbola azo heverina anefa ny hanome karama azy ireny fa tohana no nozaraina hatramin’izay, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Nanomboka namatsy vola ny fanatanterahana ny fahasalamana eny ifotony i Madagasikara, ny taona 2009, niaraka tamin’ ny famolavolana ny politikam-pirenena momba ny fahasalamana eny ifotony. Tsy voarindra anefa ny asa teny ifotony satria tsy nisy antontan-kevitra momba ny fomba hitondrana ny asa. Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hametraka modely tokana hampiasaina ho an’ny fahasalamana eny ifotony manomboka izao ary haparitaka ho an’ny faritra 23.
Raha tiana hahomby ny asa, mila faritana ny asa rehetra hisy fiantraikany mivantana ho an’ny vahoaka, tokony homena torolalana sy fiofanana ny mpanentana ara-phasalamana eny ifotony (AC) eo am-panatanterahana ny asany ary ny fametrahana fomba fiasa mitovy sy mifandraika amin’ny filan’ny mponina, araka ny vokatry ny fanadihadian’ny Unicef momba ny fandaharanasa mifototra amin’ny fahasalamana teto amintsika sy firenena 28 hafa.
Mipetraka 5 km miala ny CSB ny 41%-n’ny Malagasy ka zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny AC akaiky kokoa ny vahoaka. «Himasoana ny fampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny tanàn-dehibe sy eny ambanivohitra momba ny fikarakarana ny fahasalaman’ny vahoaka», hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo, teny Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo. Namolavola tahirin-kevitra ho fanamafisana ny fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina ny talem-paritry ny fahasalamana rehetra sy ny mpitsabo mpanara-maso. Antontan-kevitra iraisan’ny mpiray ombon’antoka misehatra amin’ny fahasalamana io sady torolalana milaza ny asan’ny AC miaraka amin’ny paikady hanatontosana azy hatramin’ny taona 2030.
Asa an-tsitrapo
Fangatahan’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony (AC) ny tokony hanomezana azy ireo karama ankoatra ny tohana ara-bola rehefa misy asa manokana na fiofanana atrehana. Nanamafy ny minisitry ny Fahasalamana fa asa an-tsitrapo no ataon’ny AC fa tohana no homena anatin’ny fandaharanasa samihafa raha misy fahafahana.
«Mety hahomby kokoa ny AC raha mahazo fandrisihana, indrindra ireo mahazo vokatra tsara eny anivon’ny fokontany iasany. Tokony hojerena manokana izay», hoy ny solontenan’ny OMS eto amintsika, Laurent Musango. Vonona ny mpiray ombon’antoka (Unicef, USAID, Banky iraisam-pirenena, OMS…) hanohana an’i Madagasikara hanamafy ny fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina. Ohatra noraisiny ny fiaraha-miasa amin’ny AC tany Toamasina izay nampiakatra ho 27% ny tahan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny Covid -19.
Vonjy A.