Tontosa ny tolakandron’ny sabotsy 4 marsa 2023 teo, teny amin’ny CC ESCA Antanimena ny fampisehoana fahatsiarovana an’i Ghaby. Nandritra io fotoana io ihany koa no nankalazana ny tsingerintaona faha-90 nahaterahan’i Ghaby na Rabehasina Gabriel. Ny fianakaviany,
ny niara-nihira taminy ary mpiangaly mozika maro no tonga nanatrika ity fampisehoana ity. Tsapa ny mbola ny fisian’ny mpankafy ny hira sy kanto napetrak’ i Ghaby.
Mpanakanto maro no namelona indray ny hira nokaloin’i Ghaby. Anisan’ny niavaka nandritra ity fampisehoana ity ny fisian’ny tarika Ghaby, vondrona tanora mikalo ny hira nampalaza an’ity kintan’ny kanto malagasy ity. Ankoatra izay, nanakoako tao amin’ny CCESCA Antanimena ny feon’i Lisa Raseta sy Salomon. Ireto farany izay niaraka nihira tamin’i Ghaby tamin’ny fahavelony.
Natokan’ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina ahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra ity kintan’ny kanto malagasy ity ny volana marsa. Maro ny hetsika atao ao anatin’izany. Anisan’izany ny fampahafantarana ny momba azy sy ny fampirantina ary famelabelarana.
Lin (Mpianatra asa)