“Maro ny firaisamonina sivily efa naka fahazoan-dalana teny amin’ny Ceni, ary navela halalaka izay. Na izany aza, misy fe-potoana ny fahazoana maka an’izay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël, ny amin’ny fanaraha-maso fifidianana. Voafaritry ny lalàna ny firaisamonina sivily: tsy manao politika, fa manara-maso ny asan’ny fanjakana. Eo koa ny fanaovana fanairana raha misy tsy fanarahan-dalàna na manohintohina ny fiandrianam-pirenena, ohatra.
Manan-jo hanaraka fahazoan-dalana ny firaisamonina sivily misehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana. Misy fe-potoana ny fanaovana ny fangatahana fahazoan-dalana. Takina ny tatitry ny asa natao. Fa tsy firaisamonina sivily vao nijoro tsy nanao asa na tsy misehatra momba ny fifidianana no haka an’izany. Raharaham-pirenena io, ka mba misy ny fitsipi-pifehezana.
Izay mpisehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana ihany…
Raha haka fahazoan-dalana, tsy maintsy firaisamonina sivily nanao asa momba ny fifidianana. Mpanara-maso fifidianana izany, ary hita ao anatin’ny fitsipika momba azy ary mpanabe olom-pirenena. Ilaina koa ny famaritany ny faritra misy azy sy iasany. Tena manana olona ho amin’ny fanaraha-maso fifidianana amin’ny faritra misy azy sy iasany izy, ary mila faritana ao anaty lisitra izay olona izay.
Amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao, efa mba hita soritra hoe manao fanaraha-maso ve ny firaisamonina sivily manam-paniriana hanara-maso fifidianana? Na manentana ny olom-pirenena hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Eo koa ny fanabeazana olom-pirenena amin’izany. Eny, na hoe tsy manana fahazoan-dalana aza.
R. Nd.