Namiratra indray ny talenta malagasy teo anivon’ny fifaninanana afrikanina. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Hary Joél. Miezaka hatrany anefa izy manatsara ny zava-bitany amin’ny alalan’ny fikarohana sy fifanakalozana amin’ny mpanatontosa kalaza.
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny mpandresin’ny Féstival panafricain du cinéma et de la télevision de Ouagadougou (FESPACO) 2023. Nisolo tena ny malagasy tamin’izany fifaninanana izany Rakotovelo Hary Joél, tanora mpanatontosa malagasy. Ny amboaran’ny “Poulain d’or” no azony nandritra ity fifaninanana ity. “Efa hatramin’ny fahakely no nitsirian’ny fitiavana horonantsary tato anaty. Niezaka nitrandraka sy nampitombo ny fahaizana rehefa nitombo ny taona”,
hoy i Hary Joél. Tanjony ny hiroso any amin’ny tsara kokoa hatrany eo amin’ity sehatra ity.
Azon’i Hary Joél ny amboara natokana ho an’ny horonantsary mihetsika fohy, nandritra ny FESPACO 2023. Mpanatontosa horonantsary maro no voafidy hifaninana tamin’ity fifaninanana ity. Isan’ny voatsongo hiatrika izany ity tanora malagasy isan’ny vao misandratra eo amin’ny fanatontosana horonantsary ity. Ny horonantsary “A doll house in the memory of the men and their dreams old ash buried under the sight of midnight for the sweet rods of the warren farm cover the true Lord of the Cage and the Lullabies lies” no nentiny nifaninana tamin’izany. Naharesy lahatra ny mpitsara ny fahaizan’ity tanora vao misandratra ity. “Vao tany amin’ny fifaninanana teto Madagasikara dia efa nandefa ny sanganasanay fotsiny izahay mba hitsapanay ny haavo tekinika sy fahaizanay. Tsy nampoizina anefa ny vokatra. Teo vao niezaka tsikelikely nandalina hoentina hanatsarana ny vokatra”, hoy i Hary Joél.
Raha tsiahivina, ny taona 2022 no nandrombahan’i Hary Joél, ny amboara tamin’ny Madagascourt Film festival. Tao anatin’izany no nahitan’ny tompon’andraikitry ny FESPACO azy ka nahatonga azy ho voatsongo.
Lin (Mpianatra asa)