Fitantanana eo anivon’ny masoivoho any Frantsa : mitaky ny fialàn’ny mpanolotsaina voalohany ireo mpiasa

Hiroso amin’ny fitokonana, manomboka, anio ireo mpiasan’ny masoivoho any Frantsa. Namoaka fanambarana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, mitaky ny fanesorana ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho any Paris, Randimbiarisoa Ramiakoalisoa Mamonjisoa.
Maromaro ireo anton’ny fitakiana amin’ny fomba fitantanana sy fomba fiasan’io mpanolotsaina io, araka ny fanambarana hatrany. “Eo ny fanararaotam-pahefana sy tsindrihazolena atao aminay mpiasa. Ny fanambaniana sy fandrahonana ary koa ny fanaovana tsinontsinona. Ny tsy fahaiza-manaony ary ny fampiasany ny tranon’ny ma­soivoho ho trano fonenany”, hoy izy ireo. Nandrangaranga fitokonana ireo mpiasa raha tsy mandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny minisite­ran’ny Raharaham-bahiny, araka ny fanambarana hatrany.
Nanamafy izany tao amin’ny tambajotran-tserasera Rakotomanga Rinah fa tena marina ary iainan’ny mpiara-miasa eo anivon’ny masoivoho ao Paris ireo voalaza ireo. Nohitsiny fa tena tsy azo ekena intsony izany. “Nite­raka ny adinay tao io ataony io ary tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy… Mahay sy afaka miteny ny rehetra ary zokiolona ka tokony hohenoin-teny hono izy. Tsy misy fanajana sy fahaizana fa entin’ny saina manidina fotsiny”, hoy izy. Nanteriny fa tampoham-pahefana ka ma­nambany sy mampihorohoro. Mampandainga olona sy ma­nalika ny hafa… “Satria milaza fa akaiky ny filoha mivady ka entiny ampitahorana ny rehetra izany”, hoy ihany izy.

Ho avy amin’ny angady sy ny harona i Rinah R.

Nohitsiny fa hiaraka hijoro hanampy ireo mpiasa ny tenany. Efa narangarangany sahady koa fa ho avy amin’ny angady sy ny harona Rako­tomanga Rinah amin’ireo manao fihetsika sy tsindry na ramatahora amin’ny sehatra misy azy. Tsy anavahany izany na vahiny na malagasy, araka ny nambarany. “Ampy kosa angamba izay fahanginana noho ny fihavanana izay. Hiteny ampahibemaso aho noho ilay tombotsoam-pirenena sy soatoavina iombonana hoan’ny tanindrazana”, hoy ihany izy.
Araka izany, andrasana ny fepetra horaisin’ny fanjakana, manoloana izao fitarainan’ny mpiasa sy ny hetsika hataon-dRakotomanga Rinah izao.
Tsiahivina fa efa nandefa fitarainana tahaka izao teo anivon’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny ireo mpiasa ireo, tamin’ny taona lasa. Tsy nahitam-baliny anefa izany ka izao hiroso amin’ny fitokonana izao izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: