Zaza iray herintaona namoy ny ainy, omaly tolakandro, tao Andranovory. Maty tototry ny rano vokatry ny fiverenan’ny rivodoza Freddy. Maro ireo traboina ao amin’ny faritr’ Antsimo Andrefana. Fotodrafitr’asa maro simba sy potika.
Zaza iray namoy ny ainy omaly tolakandro tao Andranovory, fokontany Anjambaky noho ny fiverenan’ ny rivodoza Freddy. Maty nirodanan’ny trano izy io raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza (BNGRC), omaly. Ankoatra izay, miakatra ny tahan’ny olona traboina ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Menabe. Mahatratra 2301 izy ireo. Mitsinjara 576 isa ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe. Manodidina ny 362 nafindra toerana ao amin’ny faritr’i Toliara I sy Morombe. Miisa 210 ireo fotodrafitr’asa tototry ny rano, iray simba tanteraka any an-toerana vokatry ny rotsak’orana.
“Entanina ny mponina rehetra any amin’ny faritra iva sy mipetraka manamorona ireo renirano miakatra. Toy ny ao Onilahy sy Fierenana ary Mangoky, mba ho mailo sy hitandrina hatrany”, hoy ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana, Ranoelison Tovondrainy Edally. Mba hialana amin’ny loza mety hisy. Ao amin’ny kianja mitafo Tsenengea ny toerana handrasaina ireo traboina ao Toliara sy Morombe. Marihina fa mikisaka mankany amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara ny dian’i Freddy. “Miara-misalahy ny herivelona rehetra miatrika ity rivodoza Freddy ity”, hoy hatrany izy.
Tsy mianatra ny mpianatra
Nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny kaomity eny an-toerana noho ny toe-java-misy. Tsy mianatra ny mpianatra rehetra ao an-toerana manomboka anio sy rahampitso. Voakasik’izany ny fampianarana rehetra amin’ny ambaratonga Garabola, Ambaratonga fototra, Ambaratonga faharoa ary ny Lycée rehetra ao an-toerana. Toa ny ao Toliara I, Toliara II, Betioky, Morombe, Ankazoabo, Beroroha, Sakaraha, Benenitra, Ampanihy ary ny faritra Menabe. Hiverina hianatra izy ireo ny alarobia 08 marsa ho avy izao, araka ny fivoaran’ny zava-misy.
Mino (mpianatra asa)