Notanterahina ny faran’ny herinandro teo teny Ivato ny fiofanan’ireo Notera ho fanatsarana ny asan’izy ireo hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa. Natao izany hisitrahan’ireo manan-draharaha amin’izy ireo sy hanomezany torolalana sy hevitra ireo mila izany. Eo koa ny fivoaran’ny ankamaroan’ireo lalàna, amin’izao fotoana izao. Nitarika izany teny an-toerana amin’
izao fivoriambe izao ny filohan’ny antenimieran’ny notera (CNNM), ny Me Andriamanalina Andrianjaka. Notsiahiviny fa anisan’ny tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olom-pirenena ny Notera. “Indrindra eny anivon’ny fianakaviana amin’ny fahafatesana, ny fandovana, ny fanampiana na fanomezana, ny fifanarahana eo amin’ny mpivady na ny mariazy”, hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny tsy azo ihodivirana amin’ny fiarovana ny fifandefasana vola manerana ny firenena koa ny notera. Mametraka ny fanjakana tan-dalàna ary azo antoka ho amin’ny fiarovana eo amin’ny lafiny lalàna, amin’ny sehatra rehetra, araka ny nambarany.
Fifanarahana fiaraha-miasa
Nifanindran-dalana amin’izany fiofanana tao anatin’ izany koa ny fifanarahana fiaraha-miasa roa eo amin’ny CNNM sy ireo avy amin’ny Holafitry ny manampahaizana momba ny fitantanana “Ordre des experts comptables et financiers de Madagascar -OECFM”. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fitantanana anaty mangarahara manoloana ireo mpanjifa. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny Filankevitry ny notera any Frantsa (CSN). Nisolo tena izany ny Me Didier Nourrissat. Misongadina amin’izany fifanarahana izany ny hisitrahan’ireo notera fiofanana samihafa eo amin’ny lafiny teknika, indrindra eo amin’ny iraisam-pirenena. Efa mpikambana eo anivon’ny “Internationale des notaires Latin – UINL” rahateo ny CNNM.
Synèse R.