Natao ny 20 febroary hatramin’ny 3 marsa teo, tao amin’ny foiben’ny firenena Mikambana (ONU) any New York, ny fiverenana nandinihina fanindroany, ny lafiny zo mikasika ny ranomasina. Voakasik’izany izay mifandraika amin’ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny tontolo mananaina rehetra, mifanaraka amin’ny lalàna isaky ny firenena isanisany avy. Efa natao ny aogositra 2022 teo ity fivoriana ity, andiany fahadimy, saingy tsy nisy ny marimaritra niraisana, tokony nisian’ny fehin-kevitra iombonana niraisan’ny firenena rehetra.
Isan’ny lohahevitra voakasika ny mikasika ny tontolo mananaina isaky ny faritra, mba hisian’ny fahalalana mikitika any ami’ny fari-dranomasina tsy voakasiky ny lalàna isaky firenena. Ao anatin’izany ny fitantanana ny faritra tsy voafehin’ny lalàna isaky ny firenena, amin’ny lafiny politka, ny toekarena, ny tontolo iainana.
Miompana amin’ny lohahevitra dimy lehibe ny fivoriana. Voalohany, ny zavamaniry voajanahary an-dranomasina, miompana amin’ny tombontsoa mirindra ny fitrandrahana azy. Faharoa, ny fitantanana ny harena an-dranomasina. Fahatelo, ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana. Fahefatra, ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fampitana ny fahalalana mikasika ny teknolojian’ny an-dranomasina. Fahadimy, ny fandrindrana ny lafiny fitantanana ifandraisan’ny rafitra voakasika samihafa, ny famahana ny olan’ny fifandirana, ny fahaizana mifandamina hikarohana vahaholana, sns.
Fitantanana tsara rindra ny ranomasina
Nahafahan’ireo delegasiona malagasy, nampahafantatra ny fijerin’i Madagasikara ity fivorian-dehibe ity. Sady ihany koa, nitondrany ny vahaolana sahaza itovizana amin’ny firenen-kafa. Satria, tanjona iraisana ny fitantanana tsara rindra ny ranomasina, sy ny hisian’ny fampiroboroboana ny toekarena manga, mifototra amin’ny fiarovana ny fihodin’ny tontolo mananaina an-dranomasina.
Delegasiona malagasy tamin’ity fihaonambe tany New York ity, ny mpandrindra jeneraly ny Rafitra mandrindra ny paikady ny diplaomasia maitso sy ny rantsa-maingaika samihafa, Randrianantenaina Fenohery, ny tale tantsoroka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy maitso, ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), Rtoa Andriamanohisoa Raveloson Miora ary ny talen’ny Faritra arovana, ny harena voajanahary, ny tontolo mananaina, Bakarizafy Jean Hervé.
Njaka A.