Morarano Chrome: jiolahy enina maty voatifitra

Nifanjevo ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy tao Morarano Chrome ka hatrany Andranobe distrikan’Amparafaravola, ny sabotsy alina teo. Maty voatifitra tamin’izay ny jiolahy enin-dahy nifanehitra tamin’izy ireo.

Ny sabotsy alina teo, nifanenjika ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy. Vokany, lavo nandritra izay ny efa-dahy. Nitohy tany Andranobe-Am­parafa­ra­vola ny hetsika “Ha­rato” nataon’ny mpitandro filaminana. Fantatra fa “anisan’ireo olon-dratsy ikoizana sy mpandrava fananan’olona ireto lavo ireto”, hoy ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. An­kehitriny, miaramila 300 isa no nalefan’ny fitondram-panjakana hampandry tany ao amin’ny distrik’Am­ba­ton­dra­za­ka sy Amparafaravola amin’ izao. Natao izany hamongorana ny asan-jiolahy isankarazany sy ny trangana fakana an-keriny mampitaraina ny mponina.

Mbola tsy navotsitr’ireo mpaka an-keriny ireo olona telo
Hatramin’izao mbola any amin’ireo mpaka an-keriny ihany koa ireo olona telo natao takalon’aina tao Am­bo­hi­manarivo Morarano Chro­me, ny 25 febroary teo. Tsy nandrenesam-peo ihany koa ny jioahy taorian’ny antso farany nataony ny talata teo. Nitaky vola mitentina 200 tapitrisa Ar tokoa ireo mpaka an-keriny tamin’io fotoana io ho tambin’ny famotsorana ireo havany. Tsiahivina fa niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tao Am­bo­hi­manarivo ny andian-jiolahy nirongo basy ny alin’ny 25 febroary teo. Nitaky vola sy nampihorohoro ny jiolahy sady nitondra ny tompontrano. Renim-pianakaviana iray 24 sy ny zandriny lahy 15 taona ary raim-pianakaviana 22 taona ireo natao takalon’aina. Ankehitriny, mbola miandry fatratra sy manantena ny hahita azy telo ireo ny fiankaviany sy ny mpiray tanàna ao an-toerana. Fantatra ihany koa fa vao tera-bao vao haingana ny vadin’ilay raim-pianakaviana nalaina an-keriny. Ary anisan’ireo mpanangom-bokatra matanjaka ao Morarano Chrome ireto olona nalaina an-keriny ireto.

Henintsoa Hani

Partager sur: