Mpamboly hazo niharan-doza: olona 1 maty, 19 naratra

Tanora avy namboly hazo tao Andriana tra-doza teo amin’ny RN7, teo Andohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato, afakomaly tolakandro. Namoy ny ainy ny mpanampy ny mpamily. Olona 19 naratra.

Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny alin’ny sabotsy, namoy ny ainy, omaly tamin’ny 3 ora maraina, ny resevera an’ilay taksibrosy nitondra ny tanora namboly hazo, ny 4 febroary teo. Avy namboly hazo tany Andriana, efa napetraky ny tompondraikitra fa amin’ny 4 ora ny fodiana ho an’ireto tanora ireto. Tamin’ny 2 ora tolakandro anefa, tra-doza tampoka ny fiara iray tamin’ireo nitondra tanora ireo. Nody alohan’ ny lera tokony hodiana ny fiara. Noho ny fandehanana mafy, tsy voafehin’ny mpamily ny fiara ka nivadika. Vokany, olona 19 naratra ka voa mafy ny roa tamin’izy ireo. Nentina nihazo ny hopitaly ao Tambohobe avy hatrany ireo naratra mafy. Ani­san’ireo ilay reseveran’ny fiara. Tsy nahatsiaro tena, nihazona ny ain’ity farany ireo mpitsabo. Tamin’ny 3 ora maraina, namoy ny ainy vokatr’io ratra mafy nahazo azy io ilay resevera. Olona 13 an­koatra azy kosa, notsaboina tao amin’io hopitaly io ihany raha toa ka notsaboina tao amin’ny hopitaly Talatan’ Ampano ny olona dimy hafa.

Olona telo ahina …
Efa nody avokoa ny ankamaroan’ireo naratra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. “Manaraka fitsaboana any an-trano izy ireo fa mbola misy olona telo ahina mafy ny fahasalamany”, hoy ny loharanom-baovao ao an-toerana. Efa nahazo efitrano ny telo amin’ireo enina sisa tavela ao amin’ny hopitaly Tambohobe. Mbola arahi-maso akaiky
ary ahina ny fahasalaman’ny mpandeha telo hafa tao ana­tin’ny fiara. Nandray an-tanana ny fitsaboana ireo niharan-doza avy hatrany ny fitondram-panjakana. Nidina nijery ifotony ny raharaha koa ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny minisitry ny Fanatan­jahantena.

Tsiferana R.

Partager sur: