Anisan’ny voalohany ! Nosantarina ny taona 2017 ny tolotra «MVola Epargne», fitahirizam-bola amin’ny finday, tamin’ny taha 2% isan-taona. Azo atao ny mitahiry vola hatramin’ny 100 tapitrisa Ar nanomboka ny taona 2022. Ankehitriny, niakatra ho 4% isan-taona ny tahan’ny vola tahirizina ao amin’ny «MVola Epargne», izay taha ambony indrindra eo amin’ny sehatry fitahirizam-bola amin’ny finday eto Madagasikara.
Azon’ny mpanjifa atao ny mampitombo ny vola tahiriziny amin’ity fiakaran’ny tahan’ny zanabola azony ity. Isaky ny telo volana no mirotsaka ao anaty kaontin’ny mpanjifa ny zanabola 4% isan-taona.
Tsotra satria azo atao ny manokatra ny kaonty “MVola Epargne” maimaim-poana, manomboka amin’ny 100 Ar. Azo antoka sady voaaro ny vola, satria misy ny famantarana miafina (code secret). Eo noho eo, sady tsy mifidy fotoana.
Njaka A.