Nanararaotra amboTeazy : jiolahy roa tratra nanendaka

Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo mpanendaka roa lahy te­ny Anosizato. Ny sabotsy ma­­raina teo, nanararaotra ny fitohanan’ny fiara ireto olon-dratsy ka nanendaka olona izay tratrany. Nahatsikaritra iza­ny ilay polisy nanao fanamiana sivily tsy lavitra teo. Vokany, noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa lahy ka voasambotra avy hatrany. Nentina teny amin’ny biraon’ny kaomisaria izy ireo ary natao fanadihadiana. Fantatra tamin’izay fa mpamerin-keloka ireto jiolahy ka izao tra-tehaka izao indray. Araka izany, atolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana re­he­tra. Ankoatra ity, voasambotry ny polisy ny zoma vao maraina teo koa ilay jiolahy tratra nangalatra tetsy So­anierana. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny mpitandro filaminana. Nahatsika­ritra roa lahy nandeha tamin’ ny lalam-by nilanja varavarambe vy roa izy ireo. Hita tamin’izay koa ny varavarankely efatra isa, “micros” efatra sy seza plastika fito ary tariby maromaro. Nirifitra avy hatrany anefa ny jiolahy vantany vao nahatazana ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana. Tratra tamin’izay ny iray raha tafaporitsaka kosa ilay namany. Ankehitriny, naiditra am-ponja vonjimaika eny Anta­ni­mora ilay voasambotra raha mbola karohina kosa ny iray hafa.

Henintsoa H.

Partager sur: