RONGONY roa gony voatango… : lehilahy iray tratra namboly 49 fototra

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra , ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho namboly rongony 49 fototra tao an-tanànan’Ambodivona Ambatolokanga, kaominina ambanivohitr’i Tsiafahy. An­ko­atra ireo rongony tratra teny am-potony, mbola nisy roa gony koa efa voatango sy voakarakara hamidy tratra tao an-tranony. Loha­ranom-baovao no nahafantaran’ny zandary momba ity raim-pianakaviana mpanao tra­fikana zava-mahadomelina ity. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny zandary fa efa ela no namboly rongony saingy izao vao tratra. Efa misy olona mpaka entana ao aminy, eo koa ireo olona fanaterany izany, toy ny eny 67 ha, araka ny fanazavana voaray. Na­na­mafy ny zandary fa mitohy ny ezaka famongorana ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina satria manimba ny fiarahamonina izy ireny.

Jean Claude

Partager sur: