Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Toamasina, omaly tamin’ny 1 ora sy 30 mn maraina, tao Anjoma ny iray tamin’ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy (fer 10). Naharay antso ny polisy fa misy andian-jiolahy tafiditra ao an-tokotaniny mangalatra vy 50 isa. Namonjy ilay toerana misy ireto jiolahy ireto avy hatrany ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ireo mpangalatra vy. Hita tao an-tokotany avokoa ireo jiolahy mitaona vy. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy ka tratra ny iray. Mbola tratra teny aminy avokoa ireo «fer 10» miisa 34. Tafatsoaka nandritra ny fahatongavan’ny polisy anefa ny jiolahy telo ka eo am-pikarohana azy ireo ny polisy. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy amin’ity jiolahy tratra ity. Fantatra fa misy olona mpiray tsikombakomba amin’izy ireo mandray ireo vy halatra saingy ao anatin’ny fanadihadiana izany ny polisy ao Toamasina.
Jean Claude