Variana nifandamina… : notrongisin’ny Mazda avy aoriana ilay moto sy taxi

Andro miditra ! Ni­tran­gana lozam-pifamoivoizana nandratra olona teny An­ko­rondrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina teo. Moto iray sy taxi no nifandona teo amin’ity toerana ity. Mafy ny fifandonana satria samy nahitana fahasimbana na ilay taxi na ilay moto. Mbola nifandamina sy nifanazava momba izany ny mpamilin’ilay taxi sy ilay mpitondra moto no notrongisin’ny fiara Mazda iray hafa avy ao aoriana. Olona telo no nandeha tamin’ity moto ity ka tapaka ny tongotry ny mpandeha iray raha naratra mafy ny mpamily. “Nandeha mafy ity fiara Mazda ity nefa ilay fiara sy moto efa nifandona mialoha teo. Niezaka niala ihany ny mpamily saingy namantana tany amin’ireo fiara sy moto”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray mpanao taxi-phone nahita ny fitrangan’ny loza. Vao mainka niampy indray ny fahapotehina teo amin’ireo fiara nifandona. Nentina haingana any amin’ny hopitaly ireo naratra. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy. Nanao fanadihadiana teny an-toerana ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana.

J.C

Partager sur: