Voahosotra ho mpandresin’ny «Africa code Challenge 2022 » ny solontena malagasy. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Ravinala, niarahan’i Henintsoa Camille sy Warren Mériti ary Shekinah Mayevan, nisalahy no nahazoana izany vokatra izany. Lohahevitry ny fifaninanana tamin’iny taona iny ny hoe «Hiara-hiaro ny tontolo iainana isika». « Ity andiany ity no nampitaintaina indrindra. Mbola nasehon’ny tanora afrikanina hatrany ny talenta sy ny fahaiza- manaony mandritra izao taonjato faha-21 izao, ao anatin’ny lalao famoronana sy fiheverana », hoy i Olajide Ademola Ajayi, mpandrindra iraisam-pirenen’ny SAP ACW. Fifaninanana ho an’ny ankizy 8 hatramin’ny 16 taona, aty Afrika ny “Africa Code Challenge”. Mifaninana manao “codage” ny mpandray anjara anaty vondrona iray.
Nandritra ny fifaninanana tamin’iny taona lasa iny, manisy kaody ny tetikasany tsirairay avy no natao. Tetikasa mifototra amin’ny fanamboarana “jeux video” azo lalaovin’olona maro. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fanatontosan’ny vondrona tsirairay avy horonantsary, tsy mihoatra ny telo minitra. Ao anatin’izany horonantsary izany no hampahafantarana ny momba ilay kilalao sy ny filalaovana azy.
Laharana voalohany ny solontena malagasy, arahin’ny avy ao amin’ny Nosy Maorisy ary ny solontenan’i Nigeria no teo amin’ny laharana fahatelo. Havadika hetsika isan-taona amin’izay ny hetsika manomboka eto. Tohanan’ny vondrona iraisam-pirenena maro ity fifaninanana ity.
Lin (Mpianatra asa)