ANAC Analamanga : hisy ny fiofanana mamoron-kira

Hotontosaina manomboka ny alarobia 8 marsa 2023, eny amin’ny Anac sampana Ana­lamanga, Tranombokim-pirenena, Anosy, ny fiofanana momba ny fandalinana sy fanoratana hira manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, hetsika ho an’ny mpampianatra sy mpianatra eo anivon’ny Anac. Ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny kolontsaina, sampana Analamanga no mikarakara ny hetsika, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Ko­lon­tsaina. Hampiofana mandritra izany fotoana izany Randria­narimanana Jean Jacques, mpa­morona sy mpandrindra hira ary manam-pahaizana manokana momba ny mozika sy ny zavamaneno.
“Fanabeazana ary fitaizana ny hira. Tokony hitondra fanabeazana sy fitaizana ary fahalalana ho an’ny olona, indrindra ny mpankafy, araka izany, ny hira. Any amin’ny mpamorona no iaingan’izany voalohany. Izany indrindra no hanaovana izao fampiofanana izao”, hoy ny mpikarakara ny fampiofanana. Hisy andiany roa ny fampiofanana, ny 8 sy 9 marsa 2023 ny voalohany ary ny 15 sy 16 marsa 2023 ny faharoa. Antenaina ihany koa ny hisian’ny fiofanana ahafahan’ny daholobe mandray anjara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: