Anisan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Miaina anaty fahantrana lalina ny 81 % ny Malagasy.
Vao mainka mahantra i Madagasikara noho ny aretina Covid-19. Nanafoana ny harena efa azo nandritra ny taona maro izany. Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena, latsaka anaty fahantrana lalina ny
81 % ny mponina. Tsy mahita 2 dolara isan’andro (1 dolara = 4325 Ar, 6 marsa 2023) izy ireo. Ankoatra ny aretina, betsaka ny loza ara-toeka-rena sy ny tsy fanjarian’ny toetr’andro izay misy fiantraikany amin’ny toekarena.
Vokatr’izany, nandray fepetra ny Banky iraisam-pirenena ny hanome vahana ny lafiny sosialy. Tanjona ny fiarovana ny isam-batan’olona sy ny fanampiana azy ireo, indrindra izay tena mahantra. Azo ambara fa antony iray nifantohan’ny fitondrana ankehitriny ny lafiny sosialy izany.
Tokony ho fiarovana ny sosialy
Nitombo ny fanampian’ ny Banky iraisam-pirenena ny lafiny sosialy. Tokony hatao ny tetikasa manome lanja ny fiarovana ny sehatra sosialy: toy ny fahasalamana sy ny fampianarana any amin’ ny ambaratonga fototra, ary ny sakafo ho an’ny ankizy.
Nasian’ny Banky iraisam-pirenena teny manokana ny tokony hampahaleo tena ny vehivavy. Miampy ny fampihenana ny elanelana misy eo amin’ny vavy sy lahy, indrindra eo amin’ny fihariana sy fanabeazana.
Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena hatrany, voafetra araka ny fahafahan’ny isam-batan’olona sy ny fotodrafitrasa ny toekarena eto an-toerana. Ohatra hita amin’izany ny fambolena. Voadona mafy koa i Madagasikara amin’ny lafiny fiovan’ny toetr’andro.
Farany ambany maneran-tany
Noho ny tsy fisian’ny fanavaozana azo antoka, mety afaka 70 taona vao tojon’i Madagasikara ny fari-piainana any Rwanda, ankehitriny, izay tsy lavitra aty Afrika. Iray amin’ny farany ambany maneran-tany ny maha olona. Raha ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena, ahitana mponina fahefatra maneran-tany tsy ampy sakafo be indrindra eto Madagasikara, sy ankizy maro latsaky ny 10 taona tsy mahay mamaky teny sy manoratra.
Ndrina