Can 2024 : ” Omeo sehatra ny zandry kely” hoy i Anicet

Niteraka resabe ny fanapahan-kevitra noraisin’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea fahiny. “Efa manakaiky ny fisotroan-drononoko aho ka aleo soloin’ireo zandrikely ny toerako”, hoy izy, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Nohamafisin’i Anicet fa tsy mitovy intsony ny herijika entiny tamin’ny Can 2019 sy Can 2024, ka nanapa-kevitra ny tsy hamonjy ny fampivondronana intsony ny tenany. Nilaza izy fa mila manome mihoatra ny 100% ny mpi­lalao iray hiarovana ny voninahi-pirenena.
Maro, hoy izy, ny mpilalao eto an-toerana mahay, toy ny zava-bitan’ny Barea Chan, tany Algérie. Tsiahivina fa nahazo « homme du match” indroa i Abel Anicet, nandritra ny Can 2019. Mpilalao mala­gasy nahatafiditra baolina voalohany tamin’ny Can 2019. “Manohana ny Barea mandrakizay ny tenako”, hoy i Anicet.
32 taona i Abel Anicet, mi­lalao any amin’ilay klioba Maccabi Bnei Reineh, diviziona voalohany any Israely, ankehitriny. Nihena iray ny lisitr’i Nicolas Dupuis, mpanazatra Barea.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: