“Resabe sy filam-baniny ny hoe tsy hanam-bola indray ny fanjakana hamatsiana ny fanatanterahana fifidianana. Hisy vola eo, ary hisy fifidianana amin’ity taona ity. Ho an’ny mpanohitra, aza manangan-tsampona toy izany”, hoy ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, momba ny resaky ny sasany amin’ny hoe tsy fisian’ny vola enti-manatanteraka fifidianana filohan’ny Repoblika.
Azo ahitsy araka ny zava-misy ny lalàna mifehy ny tetibola. “Nanapa-kevitra hoe fifidianana roa no indray hatao amin’ity taona ity isika. Minoa ahy ianareo fa amin’ny fivorianay ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ny volana mey, hanitsy ny tetibolam-panjakana mifanaraka amin’izay tetibola ilain’ny fifidianana izay”, hoy izy.
Na misy na tsia an’iny datim-pifidianana navoakan’ ny Ceni iny, efa tokony ho niomana hatrany ny etamazaoro politika amin’ny fiatrehana fifidianana. Ny lalàmpanorenana no mametraka fa hisy fifidianana amin’ity 2023 ity. Dikany: taom-pifidianana ity taona ity. Nefa mandeha ihany ny adihevitra filam-boatsiary hoe : ahoana ny fikarakarana fifidianana, hisy ary ho ampy ve ny vola… ?
R. Nd.