Tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary tao Soavinarivo Sahanivotry, ny roa lahy nangalatr’omby ny alahady teo. Nangalarin’izy roa ireto tany Fandiorano, Miaranavaratra Fandriana, ny omby. Nisy nahatsikaritra ny fandalovan’izy roa lahy teo amin’ ny fokontany Soavinarivo. Nahita ny fihetsika hafahafa, nampandre avy hatrany ny zandary miasa ao an-toerana ny tsara-sitrapo. Nanao ny fisavana ny mpitandro filaminana.
Tsy nahitana taratasy na iray sy fanamarinana maha tompon’omby teny amin’izy roa ireto. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, omby nangalariny tao Fandriana ireto tra-tehaka teny amin’izy ireo ireto. Efa jiolahy karohina hatry ny ela tao Fandriana ny iray tamin’izy mirahalahy. Notanana am-ponja izy ireo.
Tsiferana R.