Fampandrosoana ny faritany : miantso firaisankina ny Betsi-Groupe

Nanao antso avo ho an’ny zanaky ny faritanin’i Fia­narantsoa mba haneho firaisankina sy hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana ny vondron’ny zanaky betsileo, Betsi-Groupe. «Mila hamafisina izany hanehoana fa manana ny maha izy azy isika na eo amin’ny politika na sosialy na asa fampandrosoana… Ilana tolo-tanana avokoa izany”, hoy izy ireo.

Zanak’i Fianarantsoa,lasa minisitra

Nanterin’izy ireo fa finiavana sy fitiavana avy amin’ izy ireo tsirairay no hanohanana izao fitondrana izao ary vonona ny hanome tanana ny Betsi-Groupe. Tsy vita eny ambony latabatra izany fa mitaky fandraisana an­draikitra amin’ny fitsinjovana ireo mpiara-belona eny ifotony, araka ny nambaran’ izy ireo hatrany.
Nankasitrahan’izy ireo ny filoha Rajoelina Andry sy ny Praiminisitra Ntsay Chris­tian mbola nametraka fitokisana tamin’ny zanak’i Fia­rantsoa ka nanendry ny mpikambana vaovao ao anatiny goveremanta farany teo. «Midika izany fa tsy mitanila na faritra aiza na faritra aiza izao fitondrana izao. Mijery ny tombontsoa iombonana hampandrosoana ny firenena”, hoy izy ireo.

Tsiahivina fa namboly hazo ny faran’ny herinandro ny Betsi-Groupe ho fanantanterahana ny veliranon’ny filoha. Maherin’ny 1 000 ny zanakazo novolena tao Am­batomainty, Fianarantsoa. Nahatonga solontena ireo fokontany, miisa 53. Mbola hanao tahaka izany amin’ny faritra hafa izy ireo hanampiana ny mpiara-belona.

Synèse R.

Partager sur: