Fifaninanana nahandro: nankasitrahan-dRajoelina Mialy ireo vehivavy telo nisongadina

Maromaro ny hetsika nokarakaraina hampisehoana ny talentan’ny vehivavy malagasy amin’ ny sehatra samihafa ho fanamarihana ny Andro ho an’ny fampivoarana ny zony.

Niatrika ny fifaninanana mahandro tetsy amin’ny zaridainan’Anosy ireo vehivavy miavotse avy amin’ny faritra 23, nokarakarain’ny fikambanana Fitia, omaly. Tonga nitsidika ny famoronana sakafon’izy ireo sy nanolotra loka ho an’ny mpandresy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. Nahazo ny laharana voalohany i Françoise, solontenan’ny mpiofana avy any amin’ny faritra Sofia. Fa­haroa, avy any amin’ny faritra Atsinanana ary laharana fahatelo ny teto Analamanga. No­to­loran-dRajoelina Mialy loka izy telo mirahavavy voalohany ireo. Tanjon’ny hetsika ny fifanakalozana sy ny fizarana ka nankasitraka ireo rehetra nandray anjara ny tenany tamin’ny lahateniny. Ankoatra ny fifaninanana nahandro nokarakarain’ny fikambanana Fitia, nandray hetsika varotra fampirantiana voninkazo sy legioma ihany koa ny zari­dainan’Anosy, omaly. Tafidi­tra amin’ny fanamarihana ny Andro ho fampivoarana ny zon’ny vehivavy avokoa ireo.

Hetsika “Vehiv’ara”
Nitsidika ireo vehivavy mpanao asa tanana nampiranty vokatra eny amin’ny zari­dain’Andohalo koa Rajoelina Mialy (tafiditra anatin’ny fankalazana ny 8 marsa). Tolo­kevitra avy aminy rahateo ny famadihana ny zaridaina ho ambohipihaonana amin’ireo vehivavy malagasy miangaly sy mivelona amin’ny asa tanana. Voka-pikarohana sy famoronana maro mampalaza an’i Madagasikara maneran-tany no ho hita mandritra ny hetsika “Vehiv’ara”. Misongadina ao ny haingon-trano, kojakojan-tokantrano, hatramin’ireo lamba sy fitaovana entina mihaingo. Nanolotra fanomezana ho an’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sy ho an’ireo vehivavy mpikambana eo anivon’ny governemanta ny vehivavy mpanao asa tanana. Tsy teny Andohalo ihany fa toerana maro no nandray fampirantiana haitaon’ny vehivavy.

Vonjy A.

Partager sur: