Nanatanteraka fitsidihana tamin’ny fomba am-panajana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, André Haja Resampa, teny Ambohijatovo, ny mpanazatra ny Barea, i Nicolas Dupuis. Niresaka momba ny fanomanana ny fifanintsanan’ny Can 2023 izy ireo.
Taorian’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny fanatanjahantena sy filohana federasiona isan-tsokajiny, tonga niarahaba sy nirary soa ny minisitra André Haja Resampa ihany koa, ny Coach Nicolas Dupuis, omaly. Ankoatra ny fiarahabana, niresaka momba ny Barea sy ny Can ny roa tonta. Niompana bebe kokoa tamin’ny lalao mandroso amin’ny fifanintsanan’ny Can 2023, hatao ny 23 marsa izao etsy Mahamasina sy ny lalao miverina hatao any Cameroun ny 27 marsa, ny dinika nifanaovan’ izy ireo. Samy naneho ny fahavononany ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fijerena izay fomba hahafahan’ny mpilalao miomana araka ny tokony ho izy. Nambaran’ny Coach Nicolas Dupuis, fa hanao fanazaran-tena miaraka mialoha ireo mpilalao avy eto an-toerana mandra-piandry ireo mpila ravinahitra. Hivondrona hiaraka 7 andro mialohan’ny lalao, izany hoe, hanomboka ny 13 marsa. Hisy mpilalao mpila ravinahitra vitsivitsy ho avy eto Madagasikara hiatrika io fampivondronanaio, raha toa ka ny 30 marsa avokoa ny ankamaroany vao ho avy. Nambarany ihany koa fa mpilalao avy eto an-toerana ny 50 isan-jaton’ny ao anatin’ny lisitra farany.
Tetsy ankilany, nilaza ny minisitra André Haja Resampa fa hanampy sy hanolo-tanana amin’ny fanomanana ny Barea ary indrindra ny fanohanana ho fampandrosoana ny baolina kitra malagasy.
Mi.Raz
Araka ny vaovao voaray, anio no hamoahana ny lisitra faran’ny mpilalao hiatrika ny fifanintsanan’ny Can 2023, hihaonana amin’i Centre Afrique, ny 23 marsa izao. Miisa 23 mirahalahy ny voatazona, araka ny nambaran’ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Anisan’ny namaly ny antso i Jeremy Morel. Nekeny fa nisy fahadisoana ny lafiny fampitam-baovao mahakasika an’i Abel Anicet ary nohamarininy tsara fa tsy anisan’ny ao anaty lisitra amin’io lalao ho avy io ity mpilalao ity. Tsara be, hoy i Nicolas Dupuis, raha mahazo fandresena isika, amin’io 23 marsa io. Azo hiafiana kosa raha sahala ny fihaonana ary ratsy kosa raha resy. Na izany aza, manana fahatokiana ny hahazoan’ny Barea fandresena izy.