Miavaka ny fiarakaretsaka (na taxi) eto an-dRenivohitra amin’ny lokony. Maro an’isa ny fiarakodia tranainy, toy ny 2 CV sy ny 4L fa vitsy ny vaovao.
Noho ny maha tranainy ny maro an’isa ireo, tsy mandeha amin’ny fotoanalany sy kilaometatra (compteur horokilométrique) ny taxi eto an-toerana amin’izao taonjato izao ny toeran-kaleha sy ny karama alaina amin’izany fa miankina amin’ny halaviran-toerana sy ny lalan-kaleha. Ifampiadiana varotra izany ka raha raikitra izay vao mandeha.
Taona maro tato ho ato, tsy mandeha firy intsony ny fiarakaretsaka fa miandry mpandeha amina toerana iray. Noho ny fidiram-bola latsaka ambany amin’ny olona maro, izay mariky ny toekarena ankapobeny, ny hariva no mampandeha eto Antananarivo, matetika rehefa raikitra ny ady varotra. Na miankina amin’ny fotoana tsy maintsy vonjena izany, vao mandeha ny olona. Matetika koa araka ny marimaritra iraisana, afaka mandray mpandeha hafa ny mpamily.
Marihina koa fa ny fiarakaretsaka eto Antananarivo, toy ny 2 CV sy ny 4 L, mora kokoa ny fikarakarana azy sy ny lasantsy lany amin’ izany tsy betsaka, raha oharina amin’ny fiarakodia hafa. Tsy mitovy koa ny saran-dalana alaina amin’ny Malagasy sy ny vahiny.
Fa amin’ny maha seha-pihariana azy, tsy mandeha firy intsony ny fiarakaretsaka eto amintsika. Mihabetsaka ihany koa ny taxi-moto noho ny antony maro, anisan’izany ny tsy fahitana asa.
Ndrina