Fitiavana tsy raikitra : rangahy nananton-tena avy namono ny sakaizany

Noleran’ny lehilahy iray antsy ny vehivavy sakaizany taloha. Maty nananton-tena izy avy eo. Voalaza fa antony namonoany tena ny tahotra higadra.

Efa ela no nisaraka ireto mpifankatia izay niara-maty, vokatry ny sotasotan’ilay rangahy. Raha ny angom-baovao voaray tamin’ ny olona mahafantatra azy roa, mpifankatia nandritra ny telo taona izy ireo. Efa niara-nipetraka mihitsy, na tsy mbola vita fisoratam-panambadiana aza. Vokany, nisy fotoana nosarahan’ny fianakaviana noho izay tsy fahavitan’ny fomba sy fanamba­diana ara-panjakana izay.
Taorian’izay, voalaza fa nahita olona voalaza fa tena tia azy ilay vehivavy. Samy tao amin’ny fokontany Amba­lamanasy Toamasina ihany izy ireo no nifankahita. Niara-nipetraka indray ramatoa sy ny olon-tiany vaovao.
Ny sabotsy lasa teo, nifankahita tampoka ilay vehivavy sy ny sakaizany taloha. Nian­gavy azy mba hifamerina ity farany. Tsy nanaiky ramatoa. Vokany, tsy nisalasala nanindrona antsy azy ity lehilahy, niray trano taminy nandritra ny telo taona. Mafy ny ratra nahazo ilay niharam-boina. Nivoraka hatramin’ny tsinainy mihitsy noho ny filentiky ny antsy tao anaty kibony.
Vokany, nandriaka ny ra, maty tsy tra-drano izy. Nie­zaka nitondra azy teny amin’ ny Hopitalibe ihany ny fokonolona teo an-tanàna saingy tsy nisy azo natao intsony.

Namono tena

Natahotra ihany anefa ity nahavanon-doza ity ka lasa nitsoaka, araka ny angom-baovao teny an-toerana. “ Ni­laza izy fa matahotra higadra mandra-pahafatiny sy sazy henjana mety hahazo azy noho ny fandikan-dalàna na­taony. Lasa naka tady izy ka nisafidy ny hananton-tena tamin’ny tady teny ambony manga. Maty tsy tra-drano teo ambony hazo koa izy”, hoy ny fitantaran’ny mpiara-monina aminy.
Taorian’ny fizahan’ny dokotera, efa lasan’ny fianakaviana kosa ny razan’ilay ramatoa voatsindron’antsy.

Fanindroany

Trangam-piarahamonina roa samy hafa saingy mitovy no niseho tao Toamasina tao anatin’ny 10 andro monja. Ny 25 febroary lasa teo, mpivady ao anatina fikambanana skoto no notifirin’ny rafilahiny teny ambony moto, tao Mangari­votra Atsimo Toamasina. Maty tsy tra-drano ilay tovolahy, raha avotra soa aman-tsara ny fofombadiny. Tsiahi­vina fa nikasa ny hanao ma­riazy ireto farany. Tsy zakan’ ny sakaizan-dramatoa taloha ny nahita izany. Niafara ta­min’ny famonoana olona izany.
Taorian’ny fanadihadiana, voasambotra ilay nahavanon-doza. Niaiky ny heloka vitany rahateo izy nandritra ny fa­motorana nataon’ny polisy. Mbola manaraka fitsaboana ilay tovovavy, nieren-doza.
Tranga mampieritreritra!

Sajo/J.C

Partager sur: