IKM Antsahavola: tanjona ny fampahafantarana ny kolontsaina isam-paritra

Harena ho antsika ny fahasamihafana. Voakasik’izany koa ny lafiny kolontsaina. Maro amin’ ny Malagasy anefa no tsy mahalala ny kolontsain’ny faritra hafa. Izany indrindra no nanaovana ny hetsika “Songadina”.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Ivon­toeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) An­tsa­havola. Misy ny “Songadina”, hetsika hampahafantarana ny kolontsaina mampiavaka faritany iray eto Madagasikara. Tanjona ny hanatrarana “Ton­tolo iray, kolontsaina iray”, izay vina napetrak’ity ivontoerana ity. Miara-miasa amin’ny vondrona Lemasà sy ny fikambanana Avy an-tanagna ny IKM amin’izao fanombohana izao. Ezaka hotratrarina ny fampahafantarana ny ko­lontsaina sy ny mampiavaka ny faritany tsirairay avy.
Ny faritanin’i Mahajanga, faritra Sofia, no nanombohana ny “Songadina”. Efa nosokafana tamin’ny seho dihy, notanterahina ny sabotsy 4 marsa 2023, izany fampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritany izany. Ny salegy, malesa, baoejy, antosy no karazan-dihy nentina nanokafana ny “Songadina” ho an’ny faritanin’i Mahajanga. Mandritra ny roa herinandro no hanatanterahana izany hetsika izany. Nanomboka ny 4 marsa 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 18 marsa 2023. Hisy ny fampahafantarana ny dihy mampiavaka ny faritanin’i Mahajanga, faritra Sofia. Ny fizarana sy fanaovana taovolo “Taly Sofia”. Misy ihany koa ny fam­pahafantarana ny “An­tsotry sy vary manitra”, sakafo mampiavaka ny faritra Sofia. Hofaranana amin’ny “Sova” sy ny fandefasana horonantsary momba ny “Baoejy” ny hetsika.
Aorian’ny faritanin’i Ma­hajanga, indrindra ny faritra Sofia, hitohy amin’ny “Son­gadina” mampahafantatra ny faritra sy faritany hafa indray ny tomponandraikitry ny hetsika. “Tsara ny fisian’ny hetsika sahala amin’izao hahafantaran’ny Malagasy mpiray tanindrazana ny kolontsaina hafa ankoatra ny eo amin’ny faritra misy azy. Entanina ny ankizy sy ny tanora hijery sy hanatrika ny hetsika. Ny eto afovoan-tany, indrindra ny eto Antananarivo, izay hahazo tombony manokana”, hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Talata 7 marsa 2023: Atrikasa Dihy “Malesa”
Talata 14 marsa 2023: Atrikasa Dihy “Baoejy”
Alakamisy 9 sy 16 marsa 2023: Fizarana sy fanaovana taovolo “Taly Sofia”
7 -9 -14 -16 marsa 2023: Sakafo mampiavaka ny faritra Sofia
Zoma 17 marsa 2023: Sova
Sabotsy 18 marsa 2023: Famaranana sy fandefasana horonantsary fanadihadiana momba ny “Baoejy”

Partager sur: