Mivondrona ao anatin’ny fikambanana antsoina hoe « Iles Vanilles » ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Madagasikara, La Réunion, Maurice, Seychelles, Comores, Mayotte). Nanao fivoriambe ampitain-davitra (visioconférence) ny mpikambana, ny herinandro lasa teo, nitatitra ny zava-bita 2022 sy ny hatao ny 2023. Natao ny fifamindram-pahefana izay i Madagasikara indray no hitarika azy amin’ity taona 2023 ity, nandimby an’i La Réunion. Nilaza ny minisitry ny Fizahantany malagasy, Randriamandranto Jöel, fa hiarahan’i Madagasikara miombon’antoka amin’ny Iles Vanilles, ka tanjona ny hahatongavan’ny mpizahatany miisa 1.000.000 hitsidika ireo Nosy ireo amin’ny taona 2028.
Anisan’ny hanatrarana izany ny fitetezana firenena « eductour », hampahafantarana ireo Nosy ireo. Eo koa ny fikarakarana hetsika « salons », ny fandalovan’ny sambo vaventy mitondra mpizahatany ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fizahantany.
Njaka A.