Vonona ny hanohy ireo zava-bita taloha ary hanao misimisy kokoa hatrany, io no nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena tetsy Ampahibe, omaly. Voatendry hisolo toerana ny sekretera jeneraly, tontosa io omaly io ny famindram-pitantanana teo amin’ny sekretera jeneraly taloha, ny amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue sy ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana. Nankasitraka manokana ireo mpiara-miasa taminy ny amiraly, sekretera jeneralin’ ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena taloha ary nitsodrano ny sekretera jeneraly vaovao, anatin’izao andraikitra vaovao ho sahaniny izao. Nanotrona ny fotoana ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rajaonarivony Alexandre, ireo tale jeneraly, ireo tale ary ireo lehiben’ny sampandraharaha eto amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Marihina fa talohan’izao nahavoatendry ho sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena izao, efa kaomandin’ ny Akademia miaramila Antsirabe ny Jly Ramasy Razafindratovo ary “Coordonnateur général de projet na CGP” teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny taona 2021.
Tsiferana R.