Hotanterahina anio ny fihaonana eo amin’ny Chelsea, klioba anglisy sy ny Dortmund BVB, klioba alemà. Lalao ampahavalon-dalana miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na “Ligue des Champions” (LDC). Fihaonana atao ao amin’ny kianjan’ ny Stamford Bridge. Heverina ho toy ny lalao famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta. Hanala vela amin’ny Dortmund ny Chelsea izay resy tamin’ny lalao mandroso, tany Dortmund, ny alarobia 15 febroary lasa teo. Manana herijika ny Dortmund, nahazo fandresena enina tamin’ny lalao enina izy ireo. Anisan’ izany ny fandresen’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Leipzig, ny 3 marsa lasa teo, ny nandavoany ny Hoffeinhem, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny 25 febroary lasa teo.
Tamin’ireo lalao enina farany, fandresena tokana ihany ny azon’ny Chelsea, nanoloana ny Leeds United, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny 4 marsa lasa teo. Marihina fa samy manana mpilalao sangany ny roa tonta. Anisan’izany ry Bellingham sy Marco Reus ary Sebastien Haller, ho an’ny Dortmund, raha toa ka ry Joao Felix sy Sterling ary Havertz, ho an’ny Chelsea.
Fitia (Mpianatra asa)