Lozam-pifamoivoizana RN7 : niampy iray ireo namoy ny ainy

Niampy iray indray ny namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny RN7, teo An­dohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato,ny sabotsy tolakandro teo.
Taorian’ny fandidiana loha, natao tamin’ny tanora iray, anisan’ireo tao anatin’ny fiara nivadika, tsy tana ny ainy ny alahady maraina teo. Tanora mpilalao kitra sady skoto anatin’ny fiangonana iray ao Talatan’Ampano ihany ity nindaosin’ny fahafatesana ity.
Ankoatr’azy, olona iray hafa koa nodidiana tamin’ny lohany. Raha tsiahivina, naratra mafy ny resevera an’ity taksibrosy nitondra ireto tanora avy namboly hazo ireto ka tsy tana ny ainy ny alahady maraina. Tanora avy namboly hazo tany Andriana izy ireo. “Efa napetraky ny tompondraikitra fa amin’ny 4 ora ny fodiana ho an’ireto tanora ireto”, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray ao an-toerana. Tamin’ny 2 ora tolakandro anefa, tra-doza tampoka ny fiara iray tamin’ireo nitondra tanora ireo. Nody alohan’ ny lera tokony hodiana ny fiara.
Noho ny fandehanana mafy, tsy voafehin’ny mpamily ny fiara ka nivadika. Am-polony ireo naratra ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy avy. Nidina ifotony nijery ity tranga ity ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny minisitry ny Tanora.

Tsiferana R.

Partager sur: