Morarano Chrome : nihena ny sandan’ ireo takalon’aina

Nidina hatramin’ny 50 tapi­trisa Ar ny vola takin’ireo jiolahy mpaka an-keriny ao Morarano Chrome. Afakoma­ly, niantso ny havan’ireo takalon’aina ireo olon-dratsy ka nilaza ilay vola tadiaviny. Nifampiresaka an-telefonina ny roa tonta. Niresaka tamin’ ny havany ihany koa ireo olona telo nalaina an-keriny. Ankilan’izay, tsy mbola na­maly ny fitakian’ireo jiolahy ny fianakavian’ireo takalon’ aina. Izany hoe tsy mbola nand­oa vola mihitsy ary ma­nantena ny fahaiza-manaon’ ny mpitandro filaminana izy ireo amin’ny fahitana indray ny havany. Hatramin’izao, tsy mbola hita ireo dahalo nahavanon-doza, mbola eny am-pelatan’iretsy farany ihany koa ireo takalon’aina. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataon’ireo miaramila 300 na­lefa any an-toerana. Tsia­hi­vina fa 200 tapitrisa Ar ny tambim-bola notakian’ireo jiolahy hamotsorana an’ireo takalon’aina. Taorian’io, na­hetsika avokoa ny mpitandro filaminana hitady ireo jiolahy mpaka an-keriny. Mitohy ma­naraka izay koa ny tsongo-dia sy ny fanadihadiana rehetra. Ny sabotsy teo, nisy ireo olona enin-dahy maty voatifitra tao Morarano Chrome sy Andranobe, distrikan’Ampa­ra­faravola. Samy voarohirohy tamin’ity trangana fakana an-keriny ity izy ireo. Niteraka resabe tao an-toerana ity tranga ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: