Nirefodrefotra ny basy… Indianina maty voatifitra, lasa ny vola 150 tapitrisa Ar

Miseholany ny tsy fandriampahalemana ao Toama­sina, raha ny zava-misy any an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Nirefodrefotra ny basy tao Dépot fahefatra, Toa­masina, teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny RN 2 Bis. Mpandraharaha mpanafatra vary avy any ivelany ity teratany indianina 36 taona maty voatifitry ny jiolahy ity. Avy nandray vidin’entana izy ta­min’io sabotsy io ka teo am-pivoahana ny trano fandraisam-bahiny hiditra ny fiarany izy sy ny namany no nipoitra tampoka ny jiolahy roa niaraka tamin’ny basy. Nosakanan’ ireo olon-dratsy tsy hiditra ny fiara izy ary nitaky ilay kitapo nisy ny vola ry zalahy. Lasan’ ireo jiolahy ny kitapo roa samy nisy vola mitentina 150 tapitrisa Ar. Nirefotra inefatra ny basy niantefa teny amin’ny tenda sy ny lohan’ilay indianina. Niangavy ny tsy hitifirana azy ilay niharam-boina saingy tsy nitsitsy ireo jiolahy fa notifirin’izy ireo ihany na efa azo aza ny vola. Nianjera ta­min’ny arabe izy ka maty tsy tra-drano. Vao tonga haingana tao Toamasina izy, araka ny fanampim-baovao voaray momba azy.

Sajo/J.C

Partager sur: