Nosy Varika : tonga ny fanampiana

Nizara fanampiana sy tohana ara-tsakafo  ho an’ireo vahoaka marefo sy  niharan’ ny  voka-dratsy  nateraky ny rivodoza Freddy tany Nosy Varika ny fitondram-panjakana. Hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina sy hahafahan’izy ireo miarina haingana izany.
Tokantrano miisa 1864  ao amin’ny fokontany 16 ao anatin’ny kaominina an-drenivohitr’i Nosy Varika no nisitraka ny Vatsy tsinjo  ahitana vary,  menaka,  tsaramaso,  sira, sns….
Natao laharam-pahamehana koa ny  fanampiana  kaominina vitsivitsy, tena voa ma­fy tamin’ny nandalovan’ny rivodoza.
Halefa tsy ho ela ny anjaran’ny kaominina Ampasi­na­mbo sy Fanivelona anisan’ ireo lasibatra ihany koa, ary hankinina amin’ny manam-pahefana any an-toerana ny fizaràna.
Anisan’ny zava-dehibe napetraka nandritra ity fizarana ity ny fametrahana ny karnem-pokontany sy fandraketana anaty «données numériques» (plateforme  «e-fo­kontany,  rescue -data») ny mo­mbamomba ireo rehetra nisitraka  ny fanampiana.

Synèse R.

Partager sur: