Nikatona tanteraka, tsy nandray olona, nanomboka omaly ny masoivoho malagasy ao Frantsa. Nohamafisin’ny taratasy fampahafantarana avy amin’ny ambasadaoro, Rajhonson Rija izany.
Nanatanteraka ny fitokonana faobe, araka ny efa nambarany sy tsy nihemotra ireo mpiasan’ ny masoivoho any Paris. Nilanja sora-baventy, nanoloana ny biraon’ny ambasady izy ireo, naneho ny fitakiany ny hanesorana ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny ambasady, Randimbiarisoa Ramiakoalisoa Mamonjisoa. Nihidy ny varavaran’ny masoivoho, nanomboka, omaly io.
Efa nialohavana taratasy fampahafantarana ny antonanton’izao fitakiana izao ny firosoana amin’ny fitokonana. Anisan’ny tsy levon’ny vavonin’ireo mpiasa amin’ity mpanolotsaina voalohany ity ny fanararaotam-pahefana sy ny tsindrihazolena atao amin’ny mpiasa. Ny fanambaniana sy fandrahonana ary koa ny fanaovana tsinontsinona. Ny tsy fahaiza-manaony ary ny fampiasany ny tranon’ny masoivoho ho trano fonenany, araka ny fitarainan’ireo mpiasa.
Hanokatra fanadihadiana ny ambasady
Etsy andaniny, namoaka fampitam-baovao ny eo anivon’ny masoivoho mitatitra ny amin’ny hanokafana fanadihadiana eo anivon’ny biraon’ny ambasady hitady ireo mety ho tompon’andraikitra amin’ny fampiasana ny sary famantarana sy ny tombokasen’ny ambasady, namoaka ny fanambarana fitokonana. Voalaza fa horaisina ny fepetra mifanaraka amin’ izany.
Synèse R.