“Ho anay manokana, tokony hitoetra amin’ny toerany hatrany ny firaisamonina sivily amin’ny raharaha fifidianana toy izao. Tsy tokony hiandany na amin’iza na iza izany, ary tsy tokony hobaikoin’ny mpanao politika sady tsy manao politika.”
Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randriamalala Robert Charly, manoloana ny fisian’ny fikambanana avy amin’ny firaisamonina sivily manao politika na miandany amin’ny vondrona politika.
Afaka manana fomba fijery sy fomba fiasa mitovy amin’ny mpanao politika ny firaisamonina sivily, fa tsy voatery hiara-dalana amin’ny mpanao politika. Satria samy hafa ny tombontsoa sy ny tanjona tratrarina. Tsy manao politika sady tsy mitady tombontsoa manokana ny firaisamonina sivily, fa tsy mitady afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka. Samy hafa amin’ny mpanao politika mitady tombontsoa politika izany.
Efa lany andro ny lalàna
“Fehezin’ny lalàna 60-133 ny firaisamonina sivily. Azo lazaina fa efa lany andro ihany io lalàna io. Raha jerena ny andininy sasany, misy efa tsy araka ny toetrandro intsony. 10 000 Ar, ohatra, ny lamandy”, hoy izy momba ny lalàna mifehy ny fikambanana tsotra. Nefa amin’izao fotoana izao, be dia be ny firaisamonina sivily na ny mpanao politika milaza fa misy firaisamonina sivily miaraka aminy. Tsy lojika sady tsy ara-dalàna izany.
Koa raha misy firaisamonina sivily miaraka amin’ny mpanao politika, efa tsy mitoetra amin’ny maha firaisamonina sivily azy intsony. Efa any amin’ny firaisamonina na fikambanana politika izany. Indrindra ho an’ izay mpisehatra fifidianana manana fahazoan-dalana hanara-maso fifidianana, ohatra, tsy miandany na
amin’iza na iza. Koa raha miaraka amina antoko na vondrona politika izy, efa lasa mpanara-maso miandany. Tokony handraisana fepetra manokana izany.
R. Nd.