Tanora niharan-doza : niray fo sy nankahery azy ireo ny MJS

Nidina avy hatrany tany Fianarantsoa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena, Andre Haja Resampa, vantany vao naheno ny lozam-pifamoivoizana nahazo ireo tanora avy amin’ny fitaleavam-paritra Matsiatra Am­bony. Niray fo tamin’ny fianakavian’ny namoy ny ainy izy ary nankahery ireo naratra miisa 19 mianadahy, teny amin’ny hopitaly CHU Tam­bohobe Fianarantsoa. Tamin’ ny alalan’ity minisitra ity sy ny minisitry ny Tontolo iainana, no nanoloran’ny fitondram-panjakana tohana ho an’ny tanora niharam-boina rehetra sy ny famangiana ho an’ny fianakaviana mana-manjo.
Marihana fa noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanana tanteraka, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny saran’ny fitiliana sy ny fi­tsaboana rehetra. Tsy hadinon’ ny minisitra, Andre Haja Resampa, ny nisaotra ny solombavambahoaka, ny go­vernora, ny préfet, ireo ben’ny Tanàna sy ny fitaleavam-paritra, izay niara-nientana tamin’ ny fikarakarana rehetra raha vao nitranga ny loza ka mandrak’androany,.
Tsiahivina, tanora avy nam­boly hazo tao Andriana, ireto tra-doza teo amin’ny RN7, teo Andohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato ireto, ny 4 marsa lasa teo. Iray ny namoy ny ainy ary 19 no naratra. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ireo naratra rehetra, raha ny angom-baovao voaray farany.

Mi.Raz

Partager sur: