Nanjakan’ny fihetseham-po tanteraka ny fiarahana voalohany nanamarika ny fiverenan’i Lalie an-tsehatra. Toraka izany ihany koa ny faharoa, izay notontosaina ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Pietra Hôtel. Vaovao lehibe nambaran’i Lalie ny hisian’ny seho goavana amin’izay, ato ho ato. Efa fantatra fa hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena io, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
“Amin’io indray no hanolorako ny kanto avy aty amiko. Hiaraka hiaina ilay mozika maminareo, ka miandry anareo”, hoy ny hafatr’i Lalie. Efa an-taonany maro tokoa no tsy niakarany sehatra lehibe, indrindra fa hoe hisedra irery izany. Tsikaritra tamin’ireo fiarahana indroa izay nanamarihany ny fiverenany anefa, fa mahavita ary manan-kozaraina amin’ny mpankafy azy ity mpanakanto ity.
« Tsotr’izao » hatrany no nampisalorana ny fiarahana tamin’i Lalie, nanomboka tamin’ny seho voalohany ny 23 desambra ary nitohy ny zoma lasa teo. Ny zavatra tsikaritr’ireo nanatrika kosa dia tena tsara omana i Lalie sy ny tariny, ary vonon-kihaona amin’ireo mpankafy. Nipetraka tsara ny fahatokisan-tena sy ny tsikomba miaraka amin’ireo mpitendry, ary tsy nampoizin’ireo mpankafy aza ny fifehezan’i Lalie ny sehatra. Azo antoka, araka izany, fa ho tsara kokoa ny seho goavana homaniny, izay mariky ny tohin’ny lalan’ity mpanakanto ity eo amin’ny sehatry ny mozika.
Zo ny Aina